Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 97
- 1 [Ny fisehoan’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon’Andriamanitra kosa] Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
- 2 Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandrianany.
- 3 Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
- 4 Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
- 5 Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’i Jehovah, Dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.
- 6 Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
- 7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
- 8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
- 9 Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ny andriamanitra rehetra Hianao.
- 10 Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
- 11 Ny fahazavana no voafafy ho an’ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ny mahitsy fo.
- 12 Mifalia amin’i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina*.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.