Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 140
- 1 [Fivavahana raha enjehina]. Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.
- 2 Iaveh ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho,
arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho.
- 3 Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony,
izay manangana ady amiko lalandava;
- 4 izay mandranitra ny lelany toy ny menarana,
sady misy poizin’aspika ao ambany molony. - Selà.
- 5 Iaveh ô, ambeno amin’ny tànan’ny ratsy fanahy aho,
arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho,
izay mitetika ny hanafintohina ahy.
- 6 Misy mpiavonavona mamela-pandrika harato hamandrihana ahy;
mametra-pandrika harato manaraka ny làlan-kalehako;
ary manao otrika hamelezana ahy. - Selà.
- 7 Hoy aho amin’ny Tompo: Andriamanitro hianao,
henoy ny feon’ny fitarainako, ry Iaveh!
- 8 Iaveh Tompo ô, mpamonjiko mahery,
manarona ny lohako amin’ny andro fiadiana hianao.
- 9 Ry Iaveh, aza tanterahinao ny fanirian’ny ratsy fanahy,
aza havela hahomby ny hevi-dratsiny; dia ireharehany loatra izany. - Selà.
- 10 Ny lohan’ireo izay manemitra ahy anie,
no hianjeran’ny ratsy tononin’ny molony.
- 11 Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin’izy ireo!
Havarin’Andriamanitra any amin’ny afo anie izy!
- 12 Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany,
ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
- 13 Fantatro fa omen’ny Tompo hitsiny ny fadiranovana,
ary omeny rariny ny mahantra.
- 14 Eny, hankalaza ny anaranao ny marina,
ary honina eo anatrehan’ny tavanao ny olo-mahitsy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.