Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 132
- 1 [Fampanantenan’Iaveh tamin’i Davida, antoky ny toky amin’ny ho avy]. Fihirana fiakarana.
Ry Iaveh, tsarovy Davida,
sy ny fahasahiranany rehetra!
- 2 Izao no fianianana nataony tamin’ny Tompo,
izao no voadiny tamin’ny Maherin’i Jakoba:
- 3 Tsy hiditra ao an-day fitoerako aho,
na hiakatra eo am-parafara fialako sasatra,
- 4 na hamela ny masoko hatory,
na ny hodi-masoko ho rendremana akory,
- 5 mandra-pahitako fitoerana ho an’ny Tompo,
sy fonenana ho an’ny Maherin’i Jakoba.
- 6 Indro rentsika fa hoe any Efrata izy;
hitantsika tany an-tsahan’i Jaara izy.
- 7 Andeha ho ao amin’ny tabernaklan’ny Tompo,
miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo fitoeran-tongony isika.
- 8 Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao,
hianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!
- 9 Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao,
ary hihoby amim-piravoravoana anie ny mpino anao.
- 10 Noho ny amin’i Davida mpanomponao,
aza manifika ny tavan’ny Voahosotrao.
- 11 Iaveh nianiana marina tamin’i Davida,
ka tsy hitsoaka amin’izany:
Ny ateraky ny kibonao,
no hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.
- 12 Raha tandreman’ny zanakao ny fanekeko,
mbamin’ny didy hampianariko azy,
dia hipetraka mandrakizay,
eo amin’ny seza fiandriananao koa ny zanany.
- 13 Fa Iaveh efa nifidy an’i Siona,
sy naniry azy ho fonenany.
- 14 Ity no toerana fitsaharako mandrakizay;
eto no honenako fa efa niriko.
- 15 Horotsahako fanambinana sesehena ny fivelomany;
hovokisako hanina ny mahantrany.
- 16 Hotafiko famonjena ny mpisorony;
ary hihoby amim-piravoravoana ny mpino ao.
- 17 Hohalehibeziko ao ny fahefan’i Davida;
hamboatra fanilo ho an’ny Voahosotro aho.
- 18 Hofonosiko henatra ny fahavalony,
ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satro-boninahiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.