Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 57
- 1 [Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an’Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza] Ho an’ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’i Davida tamin’ny nandosirany an’i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ny fanahiko; eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ny loza.
- 2 Hitaraina amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
- 3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
- 4 Ny fanahiko dia eo afovoan’ny liona; handry eo amin’ny masiaka aho, dia eo amin’ny zanak’olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
- 5 Misandrata any ambonin’ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao.
- 6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko*; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Na: nitanondrika ny fanahiko]
- 7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
- 8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa* aho.[Na: Hampifoha ny maraina aho]
- 9 Hidera Anao eny amin’ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ny firenena aho.
- 10 Fa lehibe mihatra amin’ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
- 11 Misandrata any ambonin’ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.