Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 34
- 1 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon’izay efa novonjena tamin’ny fahoriana] Nataon’i Davida tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
- 2 Jehovah no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
- 3 Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
- 4 Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.
- 5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
- 6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.
- 7 Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
- 8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
- 9 Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
- 10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
- 11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.
- 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
- 13 Dia arovy ny lelanao amin’ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
- 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
- 15 Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
- 16 Ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.
- 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra.
- 18 Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
- 19 Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.
- 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
- 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
- 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.