Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 21
- 1 [Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ny hiravoravoany amin’ny famonjenao!
- 2 Ny nirin’ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ny molony tsy mba nolavinao.
- 3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
- 4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
- 5 Lehibe ny voninahiny amin’ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
- 6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ny tavanao izy.
- 7 Fa ny mpanjaka matoky an’i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
- 8 Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
- 9 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
- 10 Ny zanany* haringanao tsy ho eo amin’ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona;[Heb: vokany]
- 11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
- 12 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
- 13 Misandrata amin’ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.