Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 56
- 1 [Fangataham-pamonjena amin’Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an’ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
- 2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
- 3 Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.
- 4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny nofo amiko?
- 5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
- 6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
- 7 Amin’izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
- 8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ny bokinao va ireny?
- 9 Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
- 10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
- 11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?
- 12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
- 13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona*.[Na: fahazavan’aina]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.