Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 145
- 1 [Hira fankalazana ny Mpahary noho ny hery amam-pamindram-pony tsy misy fetra]. Hira fiderana. Nataon’i Davida.
ALEPH
Sitrako ny mankalaza anao, ry Andriamanitro, Mpanjaka ô,
sy ny misaotra ny anaranao mandrakizay doria.
- 2 BETH
Sitrako ny misaotra anao isan’andro,
sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria!
- 3 GHIMEL
Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra,
ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
- 4 DALETH
Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao;
hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
- 5 HE
Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho,
sy ny asanao mahagaga.
- 6 VAV
Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra;
ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
- 7 ZAIN
Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra,
ary hankalazaina ny fahamarinanao.
- 8 HETH
Mamindra fo sy miantra Iaveh,
ary mahari-po sy feno hatsaram-po.
- 9 TETH
Tsara fo amin’ny olona rehetra Iaveh,
ary mihatra amin’ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony.
- 10 YOD
Midera anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh,
ary misaotra anao ny mpino anao.
- 11 KAPH
Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy,
ary mitory ny fahefanao;
- 12 LAMED
mba hampahalalany ny zanaky ny olona ny asany mahagaga,
sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
- 13 MEM
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,
ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.
- 14 SAMECH
Manohana an’izay rehetra lavo Iaveh,
ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.
- 15 AIN
Mitodika miandry anao ny mason’ny zavatra rehetra,
ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.
- 16 PHE
Sokafanao ny tànanao,
dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
- 17 TSADE
Marina amin’ny làlany rehetra Iaveh,
ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.
- 18 KOPH
Eo akaikin’ izay rehetra miantso azy Iaveh,
dia izay rehetra miantso azy amin’ny fony tokoa.
- 19 RESCH
Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra azy izy,
mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
- 20 SCHIN
Miambina izay rehetra tia azy Iaveh,
ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.
- 21 THAV
Aoka ny vavako hitory fiderana an’ny Tompo,
ary ny nofo rehetra hisaotra ny anarany masina
mandrakizay doria!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.