Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 74
- 1 [Fitarainana tamin’Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon’i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin’ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
- 2 Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
- 3 Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ny fitoerana masina dia simban’ny fahavalo avokoa.
- 4 Nierona tao anatin’ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
- 5 Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
- 6 Ary amin’izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
- 7 Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin’ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ny tany* ny fonenan’ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin’ny tany]
- 8 Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon’Andriamanitra eran’ny tany rehetra izy.
- 9 Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’izao.
- 10 Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
- 11 Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin’ny tratranao, ka mandringàna.
- 12 Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ny tany Izy.
- 13 Nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ny dragona tao anaty rano Hianao.
- 14 Hianao nanorotoro ny lohan’ny mamba ka nanome azy hohanin’izay firenena any an-efitra.
- 15 Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
- 16 Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
- 17 Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
- 18 Tsarovy izao: Manaratsy an’i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
- 19 Aza manolotra ny ain’ny voromailalanao ho an’ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain’ny olo-mahantranao.
- 20 Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ny tany.
- 21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
- 22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ny adala Anao isan’andro.
- 23 Aza manadino ny feon’ny rafinao, dia ny fitabataban’ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.