Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 84
- 1 [Alahelo ny tranon’Andriamanitra] Ho an’ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ny Koraita. Endrey ny hatsaran’ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ny maro, ô!
- 2 Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’Andriamanitra velona.
- 3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
- 4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
- 5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
- 6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka* izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]
- 7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
- 8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’i Jakoba ô.
- 9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ny voahosotrao.
- 10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.
- 11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana izy.
- 12 Jehovah, Tompon’ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.