Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 5
- 1 [Salamo hatao amin’ny maraina, milaza ny amin’ny olona mahazo manatona an’Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny sodina. Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
- 2 Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
- 3 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako* aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]
- 4 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
- 5 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
- 6 Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’i Jehovah ho zava-betaveta.
- 7 Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana anao aho.
- 8 Jehovah ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho noho ny amin’ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
- 9 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana*; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
- 10 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ny fahotany, satria efa niodina taminao.
- 11 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
- 12 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.