Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 32
- 1 [Ny amin’ny famelan-keloka] Nataon’i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
- 2 Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
- 3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
- 4 Fa efa navesatra tamiko andro aman’alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.
- 5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
- 6 Izany no aoka hivavahan’ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin’izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
- 7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.
- 8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
- 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.
- 10 Be ny fanaintainan’ny ratsy fanahy, fa izay matoky an’i Jehovah kosa dia ho hodidinin’ny famindram-po.
- 11 Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.