Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 30
- 1 [Fisaorana nataon’izay narary mafy noho ny namonjen’Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin’ny nitokanana ny trano. Nataon’i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.
- 2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
- 3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
- 4 Mankalazà an’i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
- 5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
- 6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
- 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
- 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
- 9 Inona no soa azo amin’ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
- 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
- 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
- 12 Mba hankalazan’ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.