Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 68
- 1 [Fankalazana an’Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
- 2 Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
- 3 Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’Andriamanitra izy ka faly tokoa.
- 4 Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
- 5 Rain’ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ny fonenany masina.
- 6 Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ny tany karankaina.
- 7 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
- 8 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ny fanatrehan’Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
- 9 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
- 10 Ny olonao* tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
- 11 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
- 12 Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
- 13 Raha mandry eo amin’ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
- 14 Raha aelin’ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
- 15 Tendrombohitr’Andriamanitra ny tendrombohitr’i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’i Basana.
- 16 Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
- 17 Ny kalesin’Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ny itoerana masina*.[Na: amin’ny fahamasinana]
- 18 Efa niakatra ho any amin’ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ny olombelona Hianao - eny, teo amin’ny maditra aza,- mba hitoeran’i Jehovah Andriamanitra any*.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin’i Jehovah Andriamanitra]
- 19 Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’andro isan’andro*, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan’andro isan’andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan’andro isan’andro]
- 20 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ny fahafatesana.
- 21 Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’izay mandroso amin’ny fahadisoany.
- 22 Lazain’ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ny ranomasina lalina Aho,
- 23 Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ny lelan’ny amboanao ny fahavalo.
- 24 Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ny fitoerana masina*.[Na: amin’ny fahamasinana]
- 25 Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ny zatovovavy mively ampongatapaka.
- 26 Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ny loharanon’ny Isiraely.
- 27 Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
- 28 Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
- 29 Noho* ny tempolinao eo an-tampon’i Jerosalema, no hitondran’ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin’]
- 30 Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ny ombilahy mbamin’ireo vahoaka zanak’omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
- 31 Ho avy ny tremalahin’i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’Andriamanitra.
- 32 Ry fanjakana ambonin’ny tany, mihirà ho an’Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
- 33 Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
- 34 Ekeo ho an’Andriamanitra ny hery; ambonin’ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ny lanitra.
- 35 Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.