Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 69
- 1 [Fitarainan’izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin’Andriamanitra] Ho an’ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ny aiko ny rano.
- 2 Milentika amin’ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
- 3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’Andriamanitro aho.
- 4 Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
- 5 Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
- 6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
- 7 Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
- 8 Efa vahiny amin’ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ny zanak’ineny aho.
- 9 Fa ny firehetako ny amin’ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
- 10 Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
- 11 Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin’ireny aho.
- 12 Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ny mpisotro toaka an-kira aho.
- 13 Fa izaho hivavaka aminao amin’ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben’ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ny famonjenao.
- 14 Afaho amin’ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’izay mankahala ahy sy amin’ny rano lalina.
- 15 Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
- 16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ny fiantranao.
- 17 Ary aza manafina ny tavanao amin’ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
- 18 Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ny fahavaloko.
- 19 Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
- 20 Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
- 21 Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
- 22 Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ny tsy manana ahiahy.
- 23 Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
- 24 Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ny fahaviniranao.
- 25 Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
- 26 Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ny voatsindronao dia lazalazainy.
- 27 Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ny fahamarinanao izy.
- 28 Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ny bokin’ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ny marina.
- 29 Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
- 30 Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ny fisaorana.
- 31 Fa ho sitrak’i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
- 32 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra.
- 33 Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
- 34 Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
- 35 Fa Andriamanitra hamonjy an’i Ziona sady hanangana ny tanànan’ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;
- 36 Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.