Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 103
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon’i Davida Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
- 2 Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
- 3 Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
- 4 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
- 5 Izay mahavoky soa ny vavanao*; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery**.[*Na: fanahinao, na fahanteranao][**Na: ho toy ny voromahery]
- 6 Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina.
- 7 Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany.
- 8 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
- 9 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
- 10 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
- 11 Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany No haben’ny famindram-pony amin’izay matahotra Azy.
- 12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
- 13 Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany No fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy;
- 14 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
- 15 Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
- 16 Satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
- 17 Fa ny famindram-pon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka.
- 18 Dia amin’izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
- 19 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
- 20 Misaora an’i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ny teniny.
- 21 Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
- 22 Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany; Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.