Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 71
- 1 [Vavaka ataon’izay mahatsiaro ny famindram-pon’Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
- 2 Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
- 3 Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
- 4 Andriamanitro ô, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, dia amin’ny tanan’ny mpanao meloka sy ny lozabe.
- 5 Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
- 6 Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka* ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
- 7 Tonga toa zava-mahagaga eo imason’ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
- 8 Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
- 9 Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
- 10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
- 11 Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
- 12 Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
- 13 Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
- 14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
- 15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
- 16 Ho entiko ny asa lehibe nataon’i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
- 17 Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
- 18 Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.
- 19 Ary mihatra amin’izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
- 20 Hianao Izay nampahita ahy* fahoriana be sady mafy no hamelona ahy* indray, ka hampiakatra ahy* indray hiala amin’ny fitoerana lalina amin’ny tany.[Na: anay]
- 21 Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
- 22 Izaho kosa hidera Anao amin’ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ny lokanga aho, ry Iray Masin’ny Isiraely ô.
- 23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
- 24 Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.