Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 27
- 1 [Fahatokiana an’i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon’i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
- 2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
- 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
- 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
- 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
- 6 Koa dia hisandratra ambonin’ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’i Jehovah aho.
- 7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
- 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
- 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
- 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin’i Jehovah aho]
- 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
- 12 Aza manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
- 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’i Jehovah amin’ny tanin’ny velona.
- 14 Miandrasa an’i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.