Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 37
- 1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan’ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan’ny fitahiana azon’ny tsara fanahy] Nataon’i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
- 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
- 3 Matokia an’i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.
- 4 Ary miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.
- 5 Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
- 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
- 7 Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
- 8 Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’izany.
- 9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.
- 10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
- 11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.
- 12 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
- 13 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
- 14 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
- 15 Ny sabany hitsatoka amin’ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
- 16 Tsara lavitra ny kely ananan’ny ratsy fanahy maro.
- 17 Fa ny sandrin’ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
- 18 Fantatr’i Jehovah ny andron’ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
- 19 Tsy mba ho menatra amin’ny andro fahoriana ireny; ary amin’ny taona mosarena dia ho voky izy.
- 20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
- 21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra]
- 22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
- 23 Avy amin’i Jehovah no mahalavorary ny dian’ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
- 24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
- 25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
- 26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
- 27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
- 28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
- 29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
- 30 Ny vavan’ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
- 31 Ny lalàn’Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
- 32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
- 33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
- 34 Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
- 35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
- 36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
- 37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an’ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran’izany olona izany]
- 38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra.
- 39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ny andro fahoriana Izy.
- 40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.