Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 94
- 1 [Fitarainana amin’Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon’ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
- 2 Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
- 3 Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
- 4 Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
- 5 Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
- 6 Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
- 7 Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’i Jakoba.
- 8 Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
- 9 Ny Mpanao* ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]
- 10 Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
- 11 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
- 12 Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ny lalanao,
- 13 Mba homenao fitsaharana amin’ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy.
- 14 Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
- 15 Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
- 16 Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
- 17 Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ny mangingina ny fanahiko.
- 18 Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
- 19 Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
- 20 Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna*? [Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]
- 21 Manao andiany hamely ny fanahin’ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
- 22 Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
- 23 Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’i Jehovah Andriamanitsika izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.