Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 19
- 1 [Fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra, amin’ny asan’ny tànany, na amin’ny lalàna nomeny] Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.
- 2 Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.
- 3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]
- 4 Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
- 5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy.
- 6 Any amin’ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ny hafanany.
- 7 Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
- 8 Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.
- 9 Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
- 10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.
- 11 Ary ny mpanomponao dia hazavain’ireny; amin’ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
- 12 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra.
- 13 Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe.
- 14 Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah รด, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.