Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 102
- 1 [Fitarainan’ny mpanompon’Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan’i Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
- 2 Aza manafina ny tavanao amiko amin’ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
- 3 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
- 4 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
- 5 Noho ny fisentoan’ny foko Ny taolako miraikitra amin’ny hoditro.
- 6 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
- 7 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
- 8 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
- 9 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
- 10 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
- 11 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
- 12 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ny taranaka fara mandimby.
- 13 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
- 14 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
- 15 Hatahotra ny anaran’i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ny tany hatahotra ny voninahitrao;
- 16 Fa Jehovah nanangana an’i Ziona; Niseho tamin’ny voninahiny Izy;
- 17 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
- 18 Hosoratana ho an’ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’i Jehovah;
- 19 Fa Izy nitazana tany amin’ny fitoerany masina any amin’ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’i Jehovah ny tany,
- 20 Mba hihaino ny fisentoan’ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty*, [Heb. zanaky ny fahafatesana]
- 21 Mba hotorina any Ziona ny anaran’i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
- 22 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’i Jehovah.
- 23 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
- 24 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ny taranaka fara mandimby.
- 25 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ny tananao ny lanitra.
- 26 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
- 27 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
- 28 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay*, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.