Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 38
- 1 [Fivavak’izay ory dia ory indrindra] Salamo nataon’i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
- 2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
- 3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
- 4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
- 5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
- 6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
- 7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
- 8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ny foko.
- 9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
- 10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ny masoko aza efa nandao ahy.
- 11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
- 12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.
- 13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
- 14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
- 15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
- 16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian’izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
- 17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
- 18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. [Na: Malahelo]
- 19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
- 20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ny fanarahako ny tsara.
- 21 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
- 22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.