Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 33
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana.
- 2 Miderà an’i Jehovah amin’ny lokanga; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo.
- 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ny feo fifaliana.
- 4 Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
- 5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’i Jehovah ny tany.
- 6 Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
- 7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
- 8 Aoka hatahotra an’i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao.
- 9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
- 10 Jehovah mahafoana ny fisainan’ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
- 11 Ny fisainan’i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
- 12 Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
- 13 Eny an-danitra no itsinjovan’i Jehovah, mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy;
- 14 Eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany,
- 15 Dia Izy Mpamorona ny fon’izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
- 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ny haben’ny heriny.
- 17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ny heriny.
- 18 Indro, ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
- 19 mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
- 20 Ny fanahintsika miandry an’i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
- 21 Fa Izy no ifalian’ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.
- 22 Jehovah รด, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.