Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 16
- 1 [Ny fahatokiana an’Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon’i Davida. Arovy aho, Andriamanitra รด, fa mialoka aminao aho.
- 2 Hoy izaho ny amin’i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
- 3 Ary ny amin’ny olona masina ambonin’ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin’ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]
- 4 Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.
- 5 Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
- 6 Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
- 7 Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra* ahy ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako]
- 8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
- 9 Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]
- 10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny lò]
- 11 Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.