Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 50
- 1 [Ny amin’ny fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak’Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany.
- 2 Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’Andriamanitra.
- 3 Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
- 4 Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
- 5 Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin’ny fanatitra.
- 6 Hasehon’ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
- 7 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely รด, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
- 8 Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
- 9 Tsy maka vantotr’ombilahy amin’ny tranonao Aho, na osilahy amin’ny valanao;
- 10 Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
- 11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
- 12 Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
- 13 Hihinana ny nofon’ombilahy va Aho, na hisotro ny ran’osilahy?
- 14 Manatera fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra; ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao;
- 15 Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
- 16 Fa amin’ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
- 17 Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
- 18 Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ny mpijangajanga.
- 19 Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
- 20 Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika* ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika]
- 21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
- 22 Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
- 23 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.