Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 10
- 1 [Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan’ny ratsy]Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ny andro fahoriana?
- 2 Noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon’ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]
- 3 Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’i Jehovah.
- 4 Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy Andriamanitra" no tontalin-keviny.
- 5 Tanteraka* mandrakariva ny alehany; any amin’ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]
- 6 Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
- 7 Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
- 8 Mamitsaka amin’ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
- 9 Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ny haratony no fisambony ny malahelo.
- 10 Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ny herin’ny ratsy fanahy.
- 11 Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
- 12 Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
- 13 Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
- 14 Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ny tananao. Hianao no iononan’ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
- 15 Torotoroy ny sandrin’ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
- 16 Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ny taniny intsony ny jentilisa.
- 17 Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
- 18 Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’olombelona etỳ an-tany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.