Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 115
- 1 [Fampitahana an’Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin’ny Jentilisa] Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
- 2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
- 3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
- 4 Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, Asan’ny tanan’olona:
- 5 Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
- 6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
- 7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
- 8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
- 9 Ry Isiraely ô, matokia an’i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
- 10 Ry taranak’i Arona ô, matokia an’i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
- 11 Hianareo izay matahotra an’i Jehovah, matokia an’i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
- 12 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’i Arona Izy;
- 13 Hotahiny izay matahotra an’i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
- 14 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ny zanakareo.
- 15 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
- 16 Ny lanitra dia an’i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.
- 17 Ny maty tsy mba hidera an’i Jehovah. Na izay midina any amin’ny mangingina;
- 18 Fa izahay hisaotra an’i Jehovah Hatramin’izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.