Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 22
- 1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan’ny fanjakan’Andriamanitra] Ho an’ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ny fitarainako.
- 2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
- 3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ny fideran’ny Isiraely.
- 4 Hianao no nitokian’ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
- 5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
- 6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’olona sy fanevatevam-bahoaka.
- 7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
- 8 Ankino amin’i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin’i Jehovah izy]
- 9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko;
- 10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
- 11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
- 12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’i Basana manemitra ahy.
- 13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
- 14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
- 15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ny lanilaniko; ao amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
- 16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
- 17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
- 18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
- 19 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
- 20 Vonjeo amin’ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ny herin’ny amboa.
- 21 Vonjeo amin’ny vavan’ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo amin’ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
- 22 Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hideràko Anao.
- 23 Hianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’Isiraely rehetra.
- 24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny fahorian’ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
- 25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’izay matahotra an’i Jehovah.
- 26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
- 27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin’i Jehovah ny faran’ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ny firenen-tsamy hafa.
- 28 Fa an’i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ny firenen-tsamy hafa Izy.
- 29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin’ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’izay rehetra efa hidina any amin’ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
- 30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ny taranaka ho avy.
- 31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.