Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 36
- 1 [Ny maharatsy ny miala amin’Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy] Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ny ratsy fanahy hoe*: tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon’ny ratsy fanahy manao hoe:]
- 2 Fa miarahaba tena izy ny amin’ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
- 3 Ny tenin’ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
- 4 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
- 5 Jehovah ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
- 6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr’Andriamanitra]
- 7 Endrey ny hatsaran’ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ny aloky ny elatrao ny zanak’olombelona.
- 8 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
- 9 Fa ao aminao no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
- 10 Ampahareto amin’izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ny mahitsy fo.
- 11 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ny ratsy fanahy.
- 12 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.