Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 25
- 1 [Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon’i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
- 2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ny fahavaloko aho.
- 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
- 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
- 5 Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
- 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
- 7 Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
- 8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
- 9 Mitarika ny mpandefitra amin’ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
- 10 Ny lalan’i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
- 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
- 12 Iza no lehilahy matahotra an’i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
- 13 Ny fanahiny hitoetra amin’ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
- 14 Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
- 15 Ny masoko mijery an’i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato.
- 16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
- 17 Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ny fahatereko aho.
- 18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
- 19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
- 20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
- 21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
- 22 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ny fahoriany rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.