Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 76
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra noho ny nisehoan’ny fitsarany marina] Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin’ny Joda; malaza eo amin’ny Isiraely ny anarany;
- 2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
- 3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
- 4 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin*’ny tendrombohitra fitohàna.[Na: noho]
- 5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]
- 6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
- 7 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
- 8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
- 9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ny tany.
- 10 Fa ny fahatezeran’ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
- 11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’Izay mahatahotra.
- 12 Manapaka ny reharehan’ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ny tany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.