Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 116
- 1 [Fisaorana nataon’izay saiky maty, nefa novonjen’Andriamanitra] Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ny fifonako Izy.
- 2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
- 3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ny fiainan-tsi-hita*; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]
- 4 Dia niantso ny anaran’i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
- 5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
- 6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
- 7 Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
- 8 Dia namonjy ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana.
- 9 Handeha eo anatrehan’i Jehovah Eo amin’ny tanin’ny velona aho.
- 10 Nino aho; hiteny tokoa aho*; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]
- 11 Hoy izaho tamin’ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
- 12 Inona no havaliko an’i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
- 13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’i Jehovah.
- 14 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ny olony rehetra.
- 15 Zava-dehibe eo imason’i Jehovah Ny fahafatesan’ny olony masina.
- 16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
- 17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko.
- 18 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ny olony rehetra,
- 19 Dia eo an-kianjan’ny tranon’i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.