Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 144
- 1 [Efa namonjy ny vahoakany tamin’ny fahavalony Iaveh ka angatahina hanome azy fandresena tanteraka - Ny hasambarana amam-panambinana amin’ny andro iadanana]. Nataon’i Davida.
Isaraona anie Iaveh vatolampiko,
izay nampianatra ny tànako hiady,
ary ny rantsan-tànako hiantafika.
- 2 Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,
fialofako avo amam-panafaka ahy,
ampingako amam-pialofako,
izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!
- 3 Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao,
ny zanak’olombelona, no mba ahinao?
- 4 Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona;
tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.
- 5 Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna;
tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.
- 6 Aoka hianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo;
alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.
- 7 Ahinjiro avy any ambony ny tànanao,
ka afaho sy vonjeo aho amin’ny rano be,
amin’ny tànan’ireo tarana-pirenen-kafa,
- 8 izay mamoaka lainga ny vavany,
ary tànana ankavanana mivadika no tànana ankavanana.
- 9 Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho anao aho,
hankalaza anao amin’ny valiha tory folo aho.
- 10 Hianao izay nanome fandresena ny mpanjaka,
sy namonjy an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty,
- 11 dia afaho sy vonjeo aho amin’ny tànan’ireo tarana-pirenen-kafa,
izay mamoaka lainga ny vavany,
ary tànana ankavanana mivadika no tànany ankavanana.
- 12 Hanahaka ny zanakazo mirobona anie ny zanakay lahy
ka hitombo mandritra ny fahatanorany.
Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy,
misy sarin-javatra voasokitra, toy ny amin’ny tempoly!
- 13 Ho feno mandrakariva anie ny sompitray,
ka ho hipoka vokatra isan-karazany.
Ny ondrinay eny an-tanimbilonay anie
hitombo arivoarivo sy alinalina,
- 14 ary ny ombinay hahavanona anaka.
Aza misy ao anatin’ny mandanay na fahabangana na fikoizana,
aza misy re eny amin’ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!
- 15 Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany.
Sambatra ny firenena manana an’ny Tompo ho Andriamaniny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.