Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 105
- 1 [Fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny asany mahagaga tamin’ny nitondrany ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta] Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ny firenena ny asany.
- 2 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
- 3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.
- 4 Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
- 5 Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany,
- 6 Ry taranak’i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba.
- 7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
- 8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby,
- 9 Eny, ilay nataony tamin’i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’Isaka;
- 10 Izay naoriny ho lalana ho an’i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’Isiraely,
- 11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ny famolaina,
- 12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
- 13 Ary nifindrafindra tany amin’ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ny firenen-kafa,
- 14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ireo hoe:
- 15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
- 16 Dia niantso ny mosary ho amin’ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’aina;
- 17 Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
- 18 Nampijaliny tamin’ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
- 19 Mandra-pahatongan’ny fotoana hahatanterahan’ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’i Jehovah.
- 20 Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
- 21 Nanao azy ho tompon’ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
- 22 Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
- 23 Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ny tanin’i Hama.
- 24 Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
- 25 Nampiova ny fon’ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
- 26 Naniraka an’i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
- 27 Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama.
- 28 Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
- 29 Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
- 30 Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ny mpanjakany aza.
- 31 Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka* Sy ny moka teny amin’ny faritaniny rehetra. [Na: fihitra, na kalalao]
- 32 Nahatonga havandra ho solon’ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ny taniny.
- 33 Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ny taniny.
- 34 Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
- 35 Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
- 36 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ainy rehetra.
- 37 Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ny fireneny.
- 38 Faly Egypta tamin’ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
- 39 Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
- 40 Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
- 41 Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ny tany maina ho renirano.
- 42 Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
- 43 Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ny fihobiana;
- 44 Ka dia nanome azy ny tanin’ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ny firenena maro ireny,
- 45 Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.