Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 96
- 1 [Hira fifaliana noho ny hihavian’ny fanjakan’Andriamanitra] Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah ry tany rehetra.
- 2 Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly.
- 3 Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
- 4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ny Andriamanitra rehetra.
- 5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
- 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ny fitoerany masina.
- 7 Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
- 8 Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
- 9 Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
- 10 Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ny fahamarinana Izy.
- 11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
- 12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala
- 13 Eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ny fahamarinany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.