Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 136
- 1 [Litania fankalazana ny Mpahary sy Mpanao soa an’Israely]. Manomeza voninahitra an’ny Tompo, fa tsara izy,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Manomeza voninahitra an’Andriamanitry ny andriamanitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 3 Manomeza voninahitra ny Tompon’ny tompo,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 4 Izay hany mahavita fahagagana lehibe,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 5 Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 6 Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 7 Izay nanao ireo fahazavana lehibe,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 8 Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 9 Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 10 Izay namely ny Ejipsiana tamin’ny voalohan-terany,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 11 Nitondra an’Israely hivoaka avy teo aminy,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 12 Tamin’ny tànana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 13 Izay nampisaraka roa ny ranomasina Mena,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 14 Dia nitondra an’Israely namaky teo afovoany,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 15 Ary namarina an’i Faraona sy ny tafiny tao amin’ny ranomasina Mena,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 16 Izay nitondra ny vahoakany tany an’efitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 17 Izay namely mpanjaka lehibe,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 18 Ary nahafaty mpanjaka mahery,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 19 Sehona mpanjakan’ny Amoreana,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 20 Sy Oga mpanjakan’i Basàna,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 21 Izay nanome ny tanin’ireny, ho lova,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 22 Dia ho lovan’Israely mpanompony,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 23 Izay nahatsiaro antsika, nony voaetry isika,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 24 Ka nanafaka antsika tamin’ny mpampahory antsika,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 25 Izay manome hanina ny velona rehetra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 26 Manomeza voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra,
fa mandrakizay ny famindram-pony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.