Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 31
- 1 [Fitarainana nataon’izay tra-panenjehana mafy] Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.
- 2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
- 3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
- 4 Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
- 5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
- 6 Halako izay mivavaka amin’ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
- 7 Hifaly sy ho ravoravo amin’ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ny fanahiko,
- 8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ny malalaka Hianao.
- 9 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
- 10 Fa lanin’alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
- 11 Noho ny ataon’ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ny namako aza,sady atahoran’ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
- 12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
- 13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
- 14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
- 15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
- 16 Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ny famindram-ponao aho.
- 17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]
- 18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ny avonavona sy ny fanamavoana.
- 19 Akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona ho an’izay mialoka aminao!
- 20 Hanafina azy ao amin’ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ny lela mifanditra izy.
- 21 Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
- 22 Fa hoy izaho tamin’ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
- 23 Tiava an’i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
- 24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.