Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 58
- 1 [Ny amin’ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an’ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina*? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]
- 2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
- 3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
- 4 Misy poizina tahaka ny an’ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
- 5 Ka tsy mihaino ny feon’ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
- 6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ny liona tanora, Jehovah ô.
- 7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
- 8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
- 9 Dieny tsy mbola mafanan’ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
- 10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy;
- 11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny* tokoa ho an’ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ny tany.[Heb: vokatra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.