Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 78
- 1 [Famaranana nalaina tamin’ny tantaran’ny Isiraely hatramin’i Mosesy ka hatramin’i Davida] Maskila nataon’i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ny tenin’ny vavako.
- 2 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
- 3 Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran’ny razantsika tamintsika,
- 4 Dia tsy mba hafenintsika amin’ny zanany; fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
- 5 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’i Jakoba Izy, ary teo amin’Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
- 6 Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa,
- 7 Mba hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
- 8 Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny.
- 9 Ny zanak’i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ny andro fiadiana.
- 10 Tsy nitandrina ny fanekena amin’Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
- 11 Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
- 12 Teo anatrehan’ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ny tany Egypta, dia tany amin’ny tany lemak’i Zoana.
- 13 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
- 14 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
- 15 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ny rano lalina.
- 16 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
- 17 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
- 18 Dia naka fanahy an’Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
- 19 Dia niteny nanohitra an’Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
- 20 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ny olony va Izy?
- 21 Koa nony ren’i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
- 22 Satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
- 23 Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ny lanitra no novohàny,
- 24 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ny lanitra no nomeny azy.
- 25 Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
- 26 Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
- 27 Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
- 28 Ka nalatsany teny afovoan’ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
- 29 Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
- 30 Nefa tsy niala tamin’ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
- 31 Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ny Isiraely.
- 32 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
- 33 Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ny fampitahorana.
- 34 Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
- 35 Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
- 36 Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
- 37 Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
- 38 Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
- 39 Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
- 40 Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ny tany foana!
- 41 Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely.
- 42 Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo,
- 43 Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’i Zoana:
- 44 Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
- 45 Nandefa lalitra betsaka* hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
- 46 Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ny valala.
- 47 Namono ny voalobony tamin’ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ny havandra vaventy.
- 48 Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ny havandra Izy, ary ny omby aman’ondriny ho an’ny varatra.
- 49 Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
- 50 Namboatra lalana ho an’ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ireo tamin’ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ny areti-mandringana;
- 51 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ainy tany an-dain’i Hama;
- 52 Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
- 53 Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ny ranomasina.
- 54 Ary nitondra azy ho any amin’ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ny tànany ankavanana.
- 55 Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ireny ho lova nozaraina tamin’ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’Isiraely tao an-dainy.
- 56 Nefa naka fanahy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
- 57 Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
- 58 Ary nampahatezitra Azy tamin’ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra.
- 59Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
- 60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ny olona;
- 61 Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ny fahavalo.
- 62 Dia nanolotra ny olony ho an’ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ny lovany Izy.
- 63 Ny zatovolahiny dia lanin’ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
- 64 Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ireo tsy nisaona.
- 65 Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay.
- 66 Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
- 67 Dia nanary ny lain’i Josefa Izy, ary ny firenen’i Efraima tsy nofidiny.
- 68 Fa nifidy ny firenen’i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
- 69 Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
- 70 Dia nifidy an’i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ondry;
- 71 Tany amin’ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
- 72 Dia niandry ireo araka ny hitsin’ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ny tànany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.