Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 143
- 1 [Fivavahana hafa raha tra-pahoriana]. Salamon’i Davida.
Iaveh ô, henoy ny fivavahako;
atongilano ny sofinao amin’ny fitalahoako;
valio vavaka aho, amin’ny fahitsianao amam-pahamarinanao.
- 2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana,
fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
- 3 Mitady ny aiko ny fahavalo,
manitsaka ny aiko amin’ny tany izy;
asesiny ao amin’ny fitoerana maizina aho,
mova tsy olona efa maty ela!
- 4 Reraka ny fanahiko ato amiko,
mitebiteby ny foko ato an-kiboko.
- 5 Heveriko ny andro taloha,
sainiko ny asanao rehetra,
eritreretiko ny asan-tànanao.
- 6 Mananty tànan-droa aminao aho,
ka maniry anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà.
- 7 Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh,
fa reraka eo ihany ny fanahiko;
aza manafina ny tavanao amiko,
fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.
- 8 Ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho,
fa hianao no itokisako;
atoroy ny làlana tokony halehako aho,
fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
- 9 Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Iaveh,
fa ao aminao no ialofako.
- 10 Ampianaro hanao ny sitra-ponao aho
fa hianao no Andriamanitro.
Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy,
eo amin’ny làla-mahitsy.
- 11 Iaveh ô, velomy aho, noho ny anaranao,
esory amin’ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.
- 12 Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao;
ary aringano avokoa izay mampahory ahy,
fa mpanomponao aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.