Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 48
- 1 [Ny tsy nahazoan’ny fahavalo hamely ny tanànan’Andriamanitra, Mpanjaka lehibe] Tonon-kira. Salamo nataon’ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
- 2 Avo mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ny ilany avaratra, tanànan’ny Mpanjaka lehibe.
- 3 Andriamanitra ao an-tranon’andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
- 4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
- 5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
- 6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka.
- 7 Amin’ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’i Tarsisy.
- 8 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’i Jehovah, Tompon’ny maro, tao an-tanànan’Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.
- 9 Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ny tempolinao.
- 10 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ny faran’ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
- 11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’Joda, noho ny fitsaranao.
- 12 Manodidina an’i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
- 13 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’andrianany, mba hambaranareo amin’ny taranaka mandimby.
- 14 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ny fahafatesana aza.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.