Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 89
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin’i Davida] Maskila nataon’i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon’i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ny vavako ny fahamarinanao.
- 2 Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
- 3 Efa nanao fanekena tamin’ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko Aho hoe:
- 4 Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ny taranaka fara mandimby.
- 5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ny fiangonan’ny olo-masina.
- 6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin’i Jehovah? Ary iza amin’ny zanak’ireo andriamanitra no manahaka an’i Jehovah,
- 7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ny fiangonan’ny olo-masiny Ary hajain’izay rehetra manodidina Azy?
- 8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
- 9 Hianao manapaka ny fisavoan’ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
- 10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
- 11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
- 12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’i Tabara sy Hermona.
- 13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
- 14 Rariny sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
- 15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no handehanany.
- 16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
- 17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ny fankasitrahanao no hisandratan’ny tandrokay.
- 18 Fa an’i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ny Iray Masin’ny Isiraely ny mpanjakanay*.
- 19 Tamin’izany ny olonao masina dia nilazanao tamin’ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin’ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy]
- 20 Efa nahita an’i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
- 21 Izy no homban’ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
- 22 Tsy hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]
- 23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
- 24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ny tandrony.
- 25 Dia hampitoetra ny tànany amin’ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ny ony.
- 26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ny famonjena ahy.
- 27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.
- 28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
- 29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ny lanitra.
- 30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
- 31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
- 32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
- 33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
- 34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ny molotro tsy hovako.
- 35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ny fahamasinako, Tsy handainga amin’i Davida mihitsy Aho:
- 36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
- 37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra*.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]
- 38 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ny voahosotrao Hianao.
- 39 Efa nahafoana ny fanekena tamin’ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
- 40 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
- 41 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ny mpiray monina aminy izy.
- 42 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
- 43 Efa nampihemotra* ny lelan’ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ny ady.[Na: nampilefitra]
- 44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ny tany.
- 45 Efa nahafohy ny andron’ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
- 46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
- 47 Tsarovy ny hafohin’ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’olombelona rehetra!
- 48 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ny tanan’ny fiainan-tsi-hita*? [Heb. Sheola]
- 49 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’i Davida tamin’ny fahamarinanao?
- 50 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ny firenena rehetra*,
- 51 Dia ny nandatsan’ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ny voahosotrao.
- 52 Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.