Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 62
- 1 [Fiantombenan’ny fanahy izay manantena an’Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin’ny fahavalo] Ho an’ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
- 2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
- 3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
- 4 Misaina hanongana azy hiala amin’ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ny vavany izy, fa manozona amin’ny fony.
- 5 Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
- 6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
- 7 Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’Andriamanitra.
- 8 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.
- 9 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
- 10 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
- 11 Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’Andriamanitra ny hery.
- 12 Ary Anao koa, ry Tompo รด, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.