Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 108
- 1 [Fahatokiana an’Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira. Salamo nataon’i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko* no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
- 2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho*. [Na: hampifoha ny maraina aho]
- 3 Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ny jentilisa.
- 4 Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao.
- 5 Misandrata any ambonin’ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao.
- 6 Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho, ka valio.
- 7 Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’i Sekema, Ary ny lohasahan’i Sokota horefesiko;
- 8 Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
- 9 Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’i Filistia ho hihobiako.
- 10 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
- 11 Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
- 12 Vonjeo amin’ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona.
- 13 Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.