Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 119
- 1 [Salamo abidy. Fankalazana ny lalàn’Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah.
- 2 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ny fo rehetra;
- 3 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
- 4 Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
- 5 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
- 6 Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
- 7 Hidera Anao amin’ny hitsim-po aho Amin’ny ianarako ny fitsipikao marina.
- 8 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
- 9 [BETA] Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
- 10 Tamin’ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
- 11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
- 12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
- 13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
- 14 Ny lalan’ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ny harena rehetra.
- 15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
- 16 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
- 17 [GIMELA] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
- 18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.
- 19 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
- 20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
- 21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ny didinao.
- 22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
- 23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
- 24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
- 25 [DALETA] Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
- 26 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
- 27 Ampahalalao ahy ny lalan’ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
- 28 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
- 29 Ny lalan’ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
- 30 Ny lalàn’ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
- 31 Mifikitra amin’ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
- 32 Ny lalan’ny didinao no ihazakazahako, Fa* ampahalalahinao ny foko.[Na: Raha]
- 33 [HE] Jehovah ô, toroy ny lalan’ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ny farany izany.
- 34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho.
- 35 Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
- 36 Amporisiho ny foko ho amin’ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ny fieremana.
- 37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ny lalanao aho.
- 38 Tovy ny teninao amin’ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra*.[Tovy amin’ny mpanomponao ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao]
- 39 Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
- 40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ny fahamarinanao.
- 41 [VAO] Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
- 42 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
- 43 Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
- 44 Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
- 45 Ary handeha amin’ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
- 46 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
- 47 Ary hiravoravo amin’ny didinao aho Satria tiako ireny.
- 48 Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
- 49 [ZAINA] Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy*.[Na: Satria nampanantenainao aho]
- 50 Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
- 51 Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ny lalànao aho.
- 52 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
- 53 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
- 54 Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ny trano fivahiniako.
- 55 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
- 56 Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
- 57 [HETA] Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
- 58 Mifona aminao amin’ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
- 59Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ny teni-vavolombelonao.
- 60Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ny fitandremana ny didinao.
- 61 Nihodidina tamiko ny famato-ran’ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
- 62 Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
- 63 Naman’izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’izay mitandrina ny didinao.
- 64 Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
- 65 [TETA] Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
- 66 Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
- 67 Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
- 68 Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
- 69 Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
- 70 Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
- 71 Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
- 72 Ny lalàn’ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
- 73 [JODA] Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
- 74 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
- 75 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
- 76 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
- 77 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
- 78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.[Na: nanoloky ahy tamin’ny lainga]
- 79 Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
- 80 Aoka ho marina tsara ny foko amin’ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
- 81 [KAFA] Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
- 82 Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
- 83 Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
- 84 Hoatrinona no andron’ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’izay manenjika ahy Hianao?
- 85 Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
- 86 Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
- 87 Saiky laniny teo amin’ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
- 88 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
- 89 [LAMEDA] Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
- 90 Hihatra amin’ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
- 91 Hanefa ny fitsaranao* no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.[Na: Araka ny nanendrenao azy]
- 92 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ny fahoriako aho.
- 93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
- 94 Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
- 95 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
- 96 Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
- 97 [MEMA] Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
- 98 Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
- 99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
- 100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
- 101 Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
- 102 Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
- 103 Endrey ny hamamin’ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
- 104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
- 105 [NONA] Fanilon’ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
- 106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
- 107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
- 108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
- 109 An-tenda* ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako]
- 110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ny didinao aho.
- 111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ny foko izany.
- 112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ny farany.
- 113 [SAMEKA] Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
- 114 Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
- 115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’Andriamanitro.
- 116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
- 117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
- 118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.