Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 80
- 1 [Fivavahana ho an’ny Isiraely, voalobok’i Jehovah] Ho an’ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ny kerobima, mamirapiratra.
- 2 Fohazy ny herinao eo anoloan’i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
- 3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
- 4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ny fivavaky ny olonao* ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
- 5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
- 6 Ataonao ho fifandirana amin’ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
- 7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
- 8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
- 9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
- 10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo*.[Heb: sederan’Andriamanitra]
- 11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ny Ony*.[Eofrata]
- 12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
- 13 Ny lambo avy any an’ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
- 14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
- 15 Arovy* izay nambolen’ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
- 16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ny tavanao izy.
- 17 Aoka ny tananao ho amin’ny lehilahin’ny tananao ankavanana, dia amin’ny zanak’olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
- 18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
- 19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.