Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 109
- 1 [Ny amin’ny loza hanjo ny manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. RY Andriamanitra fidÈrako ô, aza mangina Hianao,
- 2 Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ny lela mandainga izy.
- 3 Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
- 4 Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
- 5 Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
- 6 Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra* hitsangana eo an-kavanany.[Na: aoka Satana]
- 7 Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
- 8 Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.
- 9 Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
- 10 Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
- 11 Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
- 12 Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
- 13 Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ny taranaka mandimby ny anarany.
- 14 Aoka hotsarovan’i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
- 15 Aoka ho eo anatrehan’i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
- 16 Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
- 17 Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
- 18 Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ny taolany tahaka ny diloilo;
- 19 Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
- 20 Izany no famaliana avy amin’i Jehovah ho an’ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
- 21 Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
- 22 Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
- 23 Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
- 24 Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ny nofoko.
- 25 Ary izaho dia tonga fandatsan’ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
- 26 Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
- 27 Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
- 28 Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
- 29 Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
- 30 Hidera an’i Jehovah indrindra amin’ny vavako aho; Eny, eo amin’ny olona maro no hiderako Azy.
- 31 Fa mitsangana eo an-kavanan’ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’izay manameloka ny fanahiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.