Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 39
- 1 [Ny fahatsinontsinon’izao fiainana izao] Ho an’ny mpiventy hira. Ho an’i Jedotona Salamo nataon’i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
- 2 Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza*, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ny aretiko.[Na; na dia teo anatrehan’ny tsara fanahy aza]
- 3 Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ny lelako aho.
- 4 Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
- 5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza*.[Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra]
- 6 Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.
- 7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
- 8 Manafaha ahy amin’ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ny adala.
- 9 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
- 10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ny famelin’ny tananao.
- 11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.
- 12 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin’ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
- 13 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.