Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 41
- 1 [Fitarainan’ilay ampahorin’ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana.
- 2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.
- 3 Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
- 4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
- 5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
- 6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
- 7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
- 8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
- 9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
- 10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
- 11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ny fahavaloko ahy.
- 12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
- 13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.